ANGANO MALAGASY

NY HAINGONY NO NAHAZOAKO AZY



Indray andro hono ……
Sendra tafaporitsaka tao anaty hady ity akoholahy anankiray nitady hanina. Indro tsy nampoizina nipoitra avy any anaty tsiloraketaka avy ny Rakary (sakadia) efa noana mafy tokoa tsy nahita izay arapaka nandritra ny andro maromaro. Tsy hitan’ity akoholahy be ny atao, te hitsoaka izy nefa toa ohatran’ny nifamatotra be ihany ny tongony rehefa nobanjinin’ity kary; hany heriny mody nitsaingotsaingoka ireo bozaka mandady ao anaty hady. Ilay Kary kosa amin’io niteny irery hoe: voky indray aloha androany fa tsy hamelako ity akoholahy ity raha tsy laniko. Hoy ilay Akoholahy nanatsafasady toa mano tari-dositra: avy aiza indray ry Rakary izany no toa ela tsy hitahita? Eo ihany fa sahirana mitady hanina e! no indro ilay Kary manantona moramora ihany.  Ialahy indray aloha dia sakafoko anio hoy Rakary miteny mangina fa eo no mody mampiresaka eo, kanefa toa ohatran’ny ngezangeza ihany anie izy izany no toa he koa tena lava be ireto fantsiny ireto, ireo ve tsy hahafaty ahy raha vao kopahiny eo aho? Aleo aloha hampiresahana: Ary tena lava sy maranitra be mihintsy anie izany fantsinareo izany Razoky hoy izy mantsy ilay Akoholahy. Nidehaka tery ny Akoholahy ka niteny hoe: Efa maromaro ihany izay akoho matiko tamin’ireo fantsiko ireo izay, raha tsy maty ry zalahy de mitondra takaitra daholo. Soa ihany aho fa nanontany hoy ilay Kary fa raha tsy izany maty teo aho, dia ahoana izany hody maina indray izany anio. Tsisy an’izany rangahy fa tsy maintsy laniko io tonga dia hiatsampazako avy ery amin’ny lohany ery a! Kanefa inona io menamenabe be eo amin’ny lohany io, marina tsy vain’afo mahamay be io saika maty teo indray aho, hay ka misy vain’afo ny lohan’ilay akoholahy ity marina mafy; aleo hampiresahana indray aloha: Ô Razokibe a! inona hoa io eo an-dohanareo menamenabe ohatran’ny vain’afo io e. Sady toran’ny hehy ilay Akoholahy no niedinedina ery niteny hoe Haingo leisy io ry Kary a, Haingo io, sanga no iantson’ny olona azy. Hanky va re hoy ilay Kary, indro izy mody niodina indray mandeha avy eo niantsampazany tery amin’ny sangany ilay Akoholahy ka indray mandeha monja no nikofoka nikopakopaka dia vita hatreo ny aminy. Indro ilay Kary nihirahira hoe: ny haingony ny nahazoako azy, ny haingony no nahazoako azy.


Tandremo ihany ny misioka nefa tsy tafavoaka ny ala, ny mandihy tsy afa-tavony. Angano, angano, arira, arira, tsy izaho no mampiresaka fa ny Ntaolo taloha no be fahendrena.

2 commentaires: