mercredi 15 janvier 2014

ANDRIAMANITRA NY FITIAVANY SY NY FAMONJENY



FIBEBAHANA

ASAN’NY APOSTOLY 17 : 30
Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka

II Korintiana 7 : 10
Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.

LIOKA 13 : 3
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.

ASAN’NY APOSTOLY 3 : 19
Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,

MATIO 3 : 2
Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

ASAN’NY APOSTOLY 2 : 38
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

APOKALYPSY 3 : 19
Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha.


FANTARO NY FANAHY

I JAONA 4: 2
Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra;

GALATIANA 5: 22-23
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

I JAONA 4: 1
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.

II TIMOTY 17: 7
Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

JAONA 3: 5
Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.

ASAN’NY APOSTOLY 4: 31
Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin' Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.

JAONA 3: 8
Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

ASAN’NY APOSTOLY 2: 4
Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.



NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA            

Romana 5 : 8
Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.

Jaona 13 : 1
Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.

1 Jaona 4 : 16
Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika, Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

Jaona 3 : 16
Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Jeremia 31 : 3
Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe:
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao,
Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.


NY TENIN’ANDRIAMANITRA      

Hebreo 11 : 3
Finoana no ahafantarantsika fa tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.

Lioka 21 : 33
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

II Timoty 3 : 16
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,

Salamo 119 : 105
Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.

Matio 22 : 29
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.
 


FANEKENA AN’I KRISTY DIA TENA ILAINA

LIOKA 12 : 8
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;

FILIPIANA 2 : 11
… Sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

MATIO 10 : 32-33
Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

ROMANA 10 : 9-10
Satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao. Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anakena hahazoana famonjena.

I JAONA 2: 23
Izay rehetra manda ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; Izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray.

LIOKA 9 : 26
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire