jeudi 9 janvier 2014

SOA TOAVINA TSARA ALAIN-TAHAKA



« Trano atsimo sy avaratra, ka izay tsy mahalena hialofana »

Tao amin’ity tanàna iray tsy lavitra ny renivohitra no nahitako trano iray tena raitra tokoa ary mahalaza sahady raha ny ety ivelany fa mana-katao na lazaina koa hoe manankarena ny olona mipetraka ao. Eo anilany eo tsy lavitra azy eo anefa dia misy trano kely iray izay ahitana tokoa fa mitrongo vao homana na lazaina  amin’ny fiteny ankehitriny hoe tena irony mafy ady irony no monina ao. Ny tena tamin’izany moa dia nanamboatra zavatra tao amin’ireo lazaina fa mana-katao ireo. Nanan-janaka lahitokana sy roa vavy ireto izy mivady. Ary lahitokana sy vavitokana kosa ny an-dry zareo mpifanolo-bodirindrina taminy ireo izay tena sahirana tokoa ny fijery azy ety ivelany. Ny nahagaga anefa dia mpinamana be tsy misaraka mihintsy izy roalahy sady mitovitovy taona rahateo, ka rehefa milalao dia toa tsy sakana hoazy roalahy ny fitafy tsy itovizana sy ny kapa sy kiraro anaovana, etna mifandaka tokoa ny fijery azy kanefa dia tena nifankatia tokoa izy roalahy. Ary izy mivady izay nanaovako ilay asa dia vaky vava tokoa fa tsy misaraka mihintsy izy roa lahy ireo na maraina na hariva. Ny tena nampihomehy ahy indray maka dia izy roalahy nifampizara sakafo (gouter) ; ny anankiray nanolotra mangahazo  masaka bolongany ireny, ny iray kosa dia biscuit tsara fono teny amin’ny mpivarotra. Tafita tany amin’izy mivady izany fifankatiavan’izy roalahy izany hany ka niroso tamin’ny fifanampiana sy ny fifampijerena izay mahasoa ny andaniny sy ny hahafaty antoka ankilany. Taona maro taty aoriana, nisy fotoana mbola niverina tao amin-dry zareo aho. Efa tovolahy lehibe izy roalahy miaraka mijery Télé sy manao jeux amin’ny ordinateur. Ary ilay trano ohatran’ny tsizarizary teo aloha efa mba niova sy nihatsara loko tazanina ety ivelany.  
Inona hoy ianao no tiana hampitaina amin’izany, mandalo tokoa isika eto an-tany, tsy hisy hitondra harena any am-pasana akory fa ny mahay miaina am-pifaliana sy fiadanana miaraka amin’ny mpiara-belona no tena lafatra indrindra. Indraindray mantsy alaim-panahy isika ka mieritreritra hoe izaho na izahay no miasa mafy sy tsy  matory andro aman’alina ve dia omena ny hafa fotsiny ny vokatra sy ny harena azo. Ny tsy fanampianao ny hafa kosa anefa raha manana ny ampy ihany ianao dia tsy misy tombontsoa ho anao sady tsy hisy fahafinaretana ho anao izany, tsy terena ianao hanao izany fa ny fifalian’ny manome hafa kokoa nohon’ny fifalian’ny mitazana ny fahorian’ny hafa. 
Andramo fa hahita fahafinaretana hafa mihintsy ianao rehefa manome ny sahirana, tadidio ange fa raha ny manankarena toa anao no omenao, efa manana koa izy, tsy hisy akony amin’ny fiainanao sy ny fihetsem-poanao akory izany.
Tadidio, fa kodiaran-tsarety ny fiainana, ny ambony mety mbola ho ambany, miloloha lanitra isika tsy maintsy ho lena ihany ary mandia tany mety hosolafaka. Koa mahaiza mankafy ny fiaina fa 70 na 80 taona ihany anie de tsy eto intsony e vetivety izany a!


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire