mercredi 15 janvier 2014

ANGANO MALAGASY

 

TRIMOBE SY SOHITIKA


Indray andro hono ……
Nandravarava teo amin’ny fanjakan’Andriamahery i Trimobe, ny voly vary nopotehiny, ny akoho amam-borona nangalariny, ny ankizy madinika alainy hohaniny, tena very hevitra ny Mpanjaka sy ny vahoaka entiny. Tapaka ary ny hevitra tao an-dapa fa izay mahafaty an’i Trimobe dia omena valosoa volamena iray vata ary omena azy koa ny zanakavavin’ny Mpanjaka ho vadiny.  Niezaka tokoa ireo vatan-dehilahy rehetra teo an-tanàna nanao izay karazana vela-pandrika sy nanafika an’i Trimobe hanao izay hahafaty azy,  fa toa hery very maina ihany izany fa tsy nahafaty ka toa ny atody miady amam-bato ihany, satria i Trimobe dia goavana dia goavana tokoa no sady mahery toy ny tadio ny firimorimony ary toy ny horohorontany ny fihazakazahany. Indray andro nandalo teto amin’ity tanàna ity i Sohitika izay mponina avy ao avarabaratra ao ka gaga nahita ireto vahoka sy ny mponina kivy sy ketraka, ka nanontany azy ireo ny anton’izao. Notantarain’izy ireo an’i Sohitika ny momba an’i Trimobe sy ny valisoa fampanantenana nataon’i Andriamahery Mpanjaka ho an’izay mahafaty an’i Trimobe. Hanky va re! hoy Sohitika ento any amin’i Mpanjaka ary aho fa manana vahaolana ny amin’izany manjo anareo izany. Indro ary Sohitika nitafa tokoa tamin’ny Mpanjaka ary nangataka taminy ny hanomezan’ny Mpanjaka azy omby lahy roa sy kisoa matavy anankiray. Raha izany foana hoy ny Mpanjaka dia omeko mba hanavotana ny fanjakana. Dia lasa i Sohitika nandeha nankany an’ala any amin’ny fonenan’i Trimobe niaraka tamin’ireto omby roa sy kisoa matavy anankiray. Inona no alehan’ialahy aty hoy  i Trimobe, laniko ialahy kely io sy ireto biby fiompin’ialahy ireto, tena mitonatonana, tsy fantatr’ialahy angaha fa taniko aty ary izay mankaty rehetra dia ny fahafatesana no miandry azy, sady nihomehy i Trimobe. Namaly tsy rototra i Sohitika hoe, hohaninao tokoa aho fa aleo aloha mba hatavitavy kely amin’izay matsiro tsara, fa tena mbola mahiakely aho izao. Eny ary, fa ialahy koa moa afaka ny hitsoaka hoaiza eo, jereo ty hakelin’ialahy sy ny hahian’ialahy. Dia laza i Trimobe nandeha nitady sakafo manodidina tsy lavitra ny fonenany. Nandritra izany no nalain’i Sohitika ireto omby matavy sy ny kisoa ka nataony sakafo mendimendy sy tsarafofona tokoa mba hanintona an’i Trimobe, tsy ela tokoa indro i Trimobe nipoitra avy any no sady nilela-molotra. Inona izany manitra sy tena matsiro be izany ry le mahiakely ity mantsy an’i Sohitika sady raraka ny iviny. Sakafo nataoko ho anao izany ka! Avy hatrany dia nalain’i Trimobe ireo hena nendasin’i Sohitika ireo ary dia nataony rapa-dango tsy nisy niangana. Nony efa lany dia nanontany an’i Sohitika izy hoe: fa inona leroa ilay sakafo teo fa tena matsiro, anaovan’ialahy ohatran’iny aho rehefa avy eo raha tsy izany laniko amin’izay ialahy. Tsotra ka, ny tsinaiko sy ny taova rehetra tato an-kiboko tato ireny nendasiko ireny fa heverinao fa inona, raha ny tsinainao sy ny taovanao matavy io izao no endasina ohatran’ny ahy ireny angamba matsiro lavitra sy tsara kokoa. Tena marina mihintsy izany hoy Trimobe izaho matavy ity tena matsiro koa izany ny henako, fa ahoana aloha ny anaovana an’izany e? Tsotra ka, hoy i Sohitika, matoria tsara ianao etsy amin’ny tany malalaka etsy, tsy mahazo mikofokoka mihintsy, izaho no manao ny ambiny, ny anjaranao dia ny miandry am-pilaminana ny sakafo matsiro, izay ihany. Ndao ary hoy ity adalabe ity, indro i Trimobe nivalapatra ery amin’ity tany ery, ary indro i Sohitika fetsy lahy kosa naka irony vy lavabe maranitra irony sady efa nataony tao anaty afo mahamay ka manjelanjelatra ery, nandrobany sy nantsatony mafy teo amin’ny kibobe an’i Trimobe ilay vy mahamay, indro i Trimobe fa nikofoka nahatsiaro maharary ka niteny hoe, maty aho leroa fa inona izany. Namaly i Sohitika, aza mikofokofoka Ingahilehibe fa tsy te hihinana ny matsiro ve? Sady vao mainka nalentiny mafimafy kokoa. Farany nitrena indroa in-telo i Trimobe dia nikarapoka maty tery. Faly ny vahoaka sy ny Mpanjaka Andriamahery ary dia nomena an’i Sohitika avokoa ireo fampanantenana rehetra natao.

Aza mba sendran’izay lehibe ara-batana ihany fa vendrana ara-tsaina.
Angano, angano, arira, arira, tsy izaho no mampiresaka fa ny Ntaolo taloha no be fahendrena.

 

NY HAINGONY NO NAHAZOAKO AZY



Indray andro hono ……
Sendra tafaporitsaka tao anaty hady ity akoholahy anankiray nitady hanina. Indro tsy nampoizina nipoitra avy any anaty tsiloraketaka avy ny Rakary (sakadia) efa noana mafy tokoa tsy nahita izay arapaka nandritra ny andro maromaro. Tsy hitan’ity akoholahy be ny atao, te hitsoaka izy nefa toa ohatran’ny nifamatotra be ihany ny tongony rehefa nobanjinin’ity kary; hany heriny mody nitsaingotsaingoka ireo bozaka mandady ao anaty hady. Ilay Kary kosa amin’io niteny irery hoe: voky indray aloha androany fa tsy hamelako ity akoholahy ity raha tsy laniko. Hoy ilay Akoholahy nanatsafasady toa mano tari-dositra: avy aiza indray ry Rakary izany no toa ela tsy hitahita? Eo ihany fa sahirana mitady hanina e! no indro ilay Kary manantona moramora ihany.  Ialahy indray aloha dia sakafoko anio hoy Rakary miteny mangina fa eo no mody mampiresaka eo, kanefa toa ohatran’ny ngezangeza ihany anie izy izany no toa he koa tena lava be ireto fantsiny ireto, ireo ve tsy hahafaty ahy raha vao kopahiny eo aho? Aleo aloha hampiresahana: Ary tena lava sy maranitra be mihintsy anie izany fantsinareo izany Razoky hoy izy mantsy ilay Akoholahy. Nidehaka tery ny Akoholahy ka niteny hoe: Efa maromaro ihany izay akoho matiko tamin’ireo fantsiko ireo izay, raha tsy maty ry zalahy de mitondra takaitra daholo. Soa ihany aho fa nanontany hoy ilay Kary fa raha tsy izany maty teo aho, dia ahoana izany hody maina indray izany anio. Tsisy an’izany rangahy fa tsy maintsy laniko io tonga dia hiatsampazako avy ery amin’ny lohany ery a! Kanefa inona io menamenabe be eo amin’ny lohany io, marina tsy vain’afo mahamay be io saika maty teo indray aho, hay ka misy vain’afo ny lohan’ilay akoholahy ity marina mafy; aleo hampiresahana indray aloha: Ô Razokibe a! inona hoa io eo an-dohanareo menamenabe ohatran’ny vain’afo io e. Sady toran’ny hehy ilay Akoholahy no niedinedina ery niteny hoe Haingo leisy io ry Kary a, Haingo io, sanga no iantson’ny olona azy. Hanky va re hoy ilay Kary, indro izy mody niodina indray mandeha avy eo niantsampazany tery amin’ny sangany ilay Akoholahy ka indray mandeha monja no nikofoka nikopakopaka dia vita hatreo ny aminy. Indro ilay Kary nihirahira hoe: ny haingony ny nahazoako azy, ny haingony no nahazoako azy.


Tandremo ihany ny misioka nefa tsy tafavoaka ny ala, ny mandihy tsy afa-tavony. Angano, angano, arira, arira, tsy izaho no mampiresaka fa ny Ntaolo taloha no be fahendrena.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire